Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, afakomaly alina, tamin’ny 9 ora, teo amin’ny fitobiana fiara iray teo Anjanahary ireo jiolahy mpangalatra kojakojana anaty fiara. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nahatsikaritra olona hafahafa misikotra varavarana fiaran’olona mitoby amin’ny fiantsonana. Rehefa nanatona azy ireo ny polisy dia nirifatra nitsoaka avy hatrany. Raikitra teo ny fifanenjehana ka tratra ireo mpamaky fiara. Nomarihin’ny polisy fa mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireo jiolahy no tratran’ny polisy. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy roa lahy anaovana fanadihadiana. Nandritra ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa izy roa lahy ireto no tena ikoizana amin’ny famakiana sy fangalarana ireo kojakoja amina fiara, izay mijanona eny amin’ny faritr’Anjanahary sy ny manodidina. Mitohy ny famotorana ataon’ny polisy momba ity raharaha ity.
J.C