Nanomboka afakomaly ny fandidiana maimaim-poana ny fahasamponana eo amin’ny vava (molotra sima sy vaky lanilany) sy ny fahasamponana amin’ny tongotra sy tanana eny amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana (Cenhosoa). Eo koa ny takaitra vokatry ny fahamaizana. Fiaraha-miasan’ny Cenhosoa sy ny fikambanana iray avy any Hong Kong izao, raha ny fampitam-baovao voaray. Natao izany ho fanampiana ireo sahirana kanefa mila fandidiana. Natao ho an’ny rehetra izay feno herintaona mihoatra ny fandidiana ka iantohana avokoa ireo fandaniana rehetra mifandraika amin’izany, araka ny tatitra nampitain’ny eo anivon’ny hopitaly. Tsiahivina fa efa nisy ny filazana nataon’ny Cenhosoa, roa volana lasa izay, momba ity fandidiana maimaim-poana ity. Nisy ny sivana natao tamin’ireo nisoratra anarana ka ireo mila izany maika aloha no natao voalohany. Hifarana ny 24 novambra 2022 ho avy izao ity fandidiana maimaim-poana ity fa mbola hitohy kosa izany ny volana mey 2023, araka ny fanampim-panazavana.
J.C