Ao anatin’ny herinandro ho an’ny fandraharahana, ny 14 hatramin’ny 20 novambra, misy famelabeleran-kevitra momba ny « maha ara-dalàna na formel, manome lanja ny toekarena maharitra » hatao anio 16 novambra, ao amin’ny antenimieran’ny varotra eto Antananarivo. Tanjona ny hanehoana ny tombontsoa azon’izay ara-dalàna na formel amin’ny fandraharahana ataony, manazava ireo dingana rehetra arahina ho tonga amin’izany, ary hampiroborobo ny fandraharahana araka ny rafitra misy sy hampaharitra azy.
Hisy solontena handray anjara avy amin’ny minisiteran’ny Asa tanana, ny hetra, ny EDBM, ny Antenimieran’ny varotra eto Antananarivo (CCIA), ny Fivmpama, ny GEM (komitin’ny orinasa madinika na PME), Vondrona PME avy ao amin’ny BNI sy Société Générale Madagasikara. Mitombo isa ny fandraharahana tsy ara-dalàna amina toerana maro, indrindra eo amin’ny varotra ka hohazavaina ny lafiny tsara mifanohitra amin’izay.
Ndrina