“Efa mihoatra ny 14% ny taham-pisoratana anarana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Ralaisoavamanjaka Andriamarotafika, ny amin’ny amin’ny fanisana mpifidy nandritra izay iray volana sy tapany izay ao anatin’izao fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao.
Izany hoe ao anatin’izay ireo faritra vao tamin’ny herinandro lasa ny nanomboka ny fanisana mpifidy. Raha ny tarehimarika fantatra: misy distrika, ohatra, toy ny any Betafo, Antsirabe, efa mihoatrra ny 42% ny vita ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Amin’ny faritra sasany, efa mananika ny 45% izany. Ho an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, efa mihoatra ny 30%.
Izay tarehimarika rehetra izay miaraka amin’ireo faritra tratra aoriana ny fanombohana ny fanisana mpifidy no manome ny hoe 14% miakatra 15 % ny taham-pisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy.
Misy fandaminana ny fanisana mpifidy eny anivon’ny orinasa
“Hita mihazakazaka izay taham-pahavitrihan’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izay”, hoy izy. Tsy ny olom-pirenena tokony hisoratra anarana ihany no mihazakazaka amin’izany, fa na ireo mpanisa mpifidy aza. Any amin’ireo faritany telo izay somary tratra aoriana ny fanombohan’ny fanisana mpifidy, efa hita hoe miakatra be ny taham-pahavitrihan’ny voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
Misy fandaminana sy fanamafisana ny lamina amin’ny fanisana mpifidy eny anivon’ny orinasa. Manomboka omaly ny fanentanana ho amin’izany. Atao izay fandaminana izay fa tsy mpikambana ao anatin’ny vondron’ny mpampiasa avokoa ny orinasa misy, ary mila lamina matotra kokoa ny mpiasam-panjakana. Noho izany, hanamboatra ny fomba fanamafisana an’izay lamina efa mipetraka izay ny Ceni mba hananan’ireo mpiasa ivelan’ny vondron’ny mpampiasa hanana anjara amin’ny fanisana mpifidy. Toy izay koa ny mpiasam-panjakana.
R.Nd.