Faritra Menabe: nampiaka-peo amin’ny tsy fandriampahalemana ny eveka

Tsy vao voalohany. Mbola nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana indray ny evekan’ny diosezin’i Morondava. Efa tena tafahoatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Anisan’izany ny any an-toerana.

“Ny zava-doza mitranga ary tena hoe lasa lalina dia lalina ny faharatsiana mahazo ny Malagasy, indrindra aty amin’ny faritra Menabe. Koa miangavy ny olom-pirenena rehetra sy ny olom-panjakana hitady ny fomba rehetra hahatrarana: inona no tena antony ary mba hatsahatra izay tsy fandriampahalemana izay”, hoy ny evekan’i diosezin’i Morondava, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien.

Tsy misy fandrosoana, raha tsy misy fandriampahalemana. Raha tsy misy fandriampahalemana tsy afa-kiaina sy hiasa ny olona. Matoky ny vahoaka hendry izy, fa misy olona vitsivitsy manararaotra ny zavatra toy izao. Miangavy an’izay manao mba hampitsahatra izany izy, fa aina io. Jereo ny zavatra mahazo antsika hoe manaja aina isika, nefa manala zaza, mamono olona, may ny ala, may ny biby… “Ilay kolontsaintsika tia aina, lasa fahafatesana no miandry. Tsy maintsy havaditsika izay, ary matoky ny fiombonana amin’ny vahoaka madinika hanova izany. Tsy afa-kiaina amin’izany na oviana na ovina isika”, hoy izy.

Mila fanampiana mba hamokatra ny vahoaka

Manana tombony ny ao Morondava, satria tondraka i Dabara raha avy ny orana any Ambositra, Antananarivo… Tokony hohararaotina haingana izany na tsy avy aza ny orana ao Morondava, araka ny namabarany manoloana ny fanahiana tsy fanjarian-tsakafo na mosary any an-toerana. Mba tsy ho very any an-dranomasina izay rano izay, fa very any an-tanimbary. Izay no iangaviany ny mpitondra fanjakana mba hararaotina haingana. “Tsy misy fandriampahalemana, raha tsy misy fampandrosoana koa”, hoy ihany izy. Mahamenatra amin’ny taranaka ankehitriny hoe lasa noana ny vahokan’i Menabe. Tsy mendrika an’i Menabe izany, ary misy ny rano. Mila fanampiana ny vahoaka mba hamokatra ary hamokatra ho an’ny hafa koa fa tsy ho an’ny tenany ihany.

R.Nd.

Partager sur: