Faritra Vatovavy: nanamafy traikefa ny mpanao gazety

Nisitraka fiofanana ireo mpanao gazety miisa 25, any amin’ny faritra Vatovavy. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny traikefa efa ananany izany. Mivoatra hatrany rahateo ny asa fanaovan-gazety manoloana ny fanatontoloana, ny fivoaran’ny teknolojia, ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny toekarena sy sosialy ary ny fiarahamonim-pirenena. Itakiana ny fampanarahana ny asa fanaovan-gazety amin’ny fenitra ambony kokoa izany.

Misitraka izany avokoa ny mpanao gazety amin’ny haino vaky jery ao amin’ny faritra. Ny Mitarika ny fanofanana, nanomboka, omaly hatramin’ny rahampitso ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Ho voaresaka sy hifampizarana amin’izany ny fahalalana fototra maha mpanao gazety, ny fitrandraham-baovao « Investigation », ny fanatanterahana sy fanadihadiana lalina eny ifotony.

Tsiahivina fa hizarana mari-pahavitana fiofanana ireo mpandray anjara rehetra.

Synèse R.

 

Partager sur: