Nankalaza ny tolom-panafahana ka nahazoan’izy ireo ny Fahaleovantena ny firenena alzerianina, omaly, teny Ankorondrano. Manohana an’i Madagasikara hatrany izy ireo…
Feno 68 taona omaly ny tolom-panafahana nataon’i Algérie ka nahazoany ny Fahaleovantena. Maro ny zavatra niainana sy nosedrain’izy ireo nahazoana izany fahafahana izany ka naharitra teo amin’ny fito taona ny tolona. Nitarika ny lanonana nanamarihana izany ny masoivohon’i Algérie, teny Ankorondrano. Nanome voninahitra izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard niaraka tamin’ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao, Ratsiraka Sophie ary ny eo anivon’ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena. Nandritra ny lanonana, niarahaba manokana ny vahoaka alzerianina ny minisitry ny Raharaham-bahiny ka nidera ny zava-bitan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenany nandritra ny ady ho famerenana izany fahaleovantenan’ny fireneny izany. Tsy izany ihany fa mivelatra amin’ny sehatra maro toy ny ara-toekarena, ara-barotra ny fiahara-miasa eo amin’i Madagasikara sy Algérie ary vonona ny hanamafy izany i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny.
Jean Claude