Atao eto Antananarivo, ny 15 hatramin’ny 18 novambra ny atrikasa handinihana ny fanitsiana ny fifanarahana mikasika ny Faritra arovana (AP), ny biby ary ny zavamaniry aty amin’ny tapany atsinanan’Afrika.
Mifototra amin’ny Fifanarahan’i Nairobi ity dinika ity, nankatoavina ny 21 jona 1985. Efa nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa ny taona 2010, mikasika ny fiarovana ny tontolon’ny morontsiraka sy ny anaty ranomasina aty amin’ny ilany andrefan’ny ranomasimbe Indiana (LBSA), mifanandrify amin’ny Fifanarahan’i Nairobi nasiam-panintsiana.
Tsikaritra nandritra ny fihaonamben’ny mpisehatra na “Conférence des parties” (Cop) nifandimby samihafa, fa tsy mitsahatra miha simba ny tontolo morontsiraka sy anaty ranomasina, sady miharingana ny tontolo manan’aina.
Potika noho ny fiovan’ny toetr’andro
Izany dia vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, ny fitrandrahan’ny olombelona ny harena voajanahary, ny fanjonoana mihoa-pampana, ny fakana fasika, ny loto an-dranomasina avy amin’ny jono sy ny aty an-tanety. Ireo no nahatonga ity fanitsiana ny andininy sasany voarakitry ny fifanarahana ity.
Mitarika ny Fifanarahan’i Nairobi, mandritra ny 5 taona i Madagasikara (2022-2024), tarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy, Rtoa Vina Marie Orléa. Ahitana firenena 10 mpikambana (Somalia, Kenya, Tanzania, Mozambika, Afrika Atsimo, Seychelles, Frantsa La Réunion, Madagasikara, Kaomoro ary Maorisy).
Njaka A.