Leta sy i Nary ary i Black, teo amin’ny “senior” lehilahy ary i Nirina sy i Wendy kosa ny teo amin’ny vehivavy. Ireo no nandrombaka ny fandresena nandritra ilay «Grand Open Telma», natao teny amin’ny kianja Para Ivato, ny asabotsy sy ny alahady lasa teo. Fifaninanana niarahana nikarakara tamin’ny Fedeasiona malagasy (FSBM). Raha hiverenana ny vokatra, lavon-dry Leta tamin’ny isa mazava, 13 no ho 3, teo amin’ny famaranana ny ekipa nisy an’i Balloteli sy i Mamy ary i Vonjy. Lasan-dry zalahay araka izany ny lelavola mitentina 600.000 Ar sy finday I-Feel prime miisa 3 ary amboara. 300.000 Ar miampy finday Wikif max 4G kosa no azon-dry Balloteli sy ry Mamy.
Teo amin’ny vehivavy, lasan’i Nirina sy i Wendy ny vola 300.000 Ar sy ny finday Wikif Max 4G. Resin’izy mirahavavy teo amin’ny famaranana tamin’ny isa, 13 n ho 11, i Nirina sy i Aurélie, izay nahazo ny 200.000 Ar sy finday Legend Max roa.
I Safidy sy i Tsiry kosa no nivoaka ho mpandresy teo amin’ny sokajy zandriny, raha ny ekipa nisy an’i Colo Joba sy Rajo no nandresy teo amin’ny sokajy “veteran”.
Tsiahivina fa nahatratra 75 ny isan’ireo nandray anjara teo amin’ny olon-telo miaraka lehilahy, raha 25 ny teo amin’ny vehivavy. 27 kosa ny teo amin’ny zandriny raha 23 ny “veterans”.
Tompondaka