Hira fiderana: manohy ny lalany i Marcelio

Ny feo voalohany matanjaka sady rakotra angola, miampy ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny dihy. Ireo mitambatra no manosika avo ny talentan’i Marcelio eo amin’ny mozika evenjelika. Nanaitra sy nanintona ny maro amin’ity mpanakanto ity ihany koa ny fironany amin’ny fiangaliana ny bagasy sy ny fivelarany miandalana amin’ny fampiasana ny rap hoenti-mitory ny Filazantsara ho fanabeazana ireo tanora. Fantatra fa manohy ny lalany hatrany izy ka ny faramparan’ito taona 2022 ito no mikasa hamoaka ny kapila mangirana voalohany i Marcelio. Marihina fa niainga tamin’ny famoronana tononkalo i Rajaozandry Nilana Marcelio. Tsotra ary mora takarina ny tononkirany. Ampahany amin’ireo sanganasany efa fantatry ny maro ny hira « Amboary aho », « Tsy anio ihany ». Efa misy ihany koa ny fampiaraham-peon’i Marcelio amin’i Mialy Rakotomamonjy.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Partager sur: