Nanolotra menaka 80 taonina ho an’ireo mpianatra any Atsimo ny fikambanana rosianina sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam), tetsy Ivandry, omaly.
Mahatratra 2,1 tapitrisa ireo olona iharan’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy atsimon’ i Madagasikara. Menaka fihinana, milanja 80 taonina no natolotry ny ambasadaoro rosianina ho an’ireo mpianatra any Atsimo. Tetikasa natao ho an’ireo mpianatra miisa telo hetsy, eny amin’ireo sekolim-panjakana 900 isa manerana ny faritra 13 eto Madagasikara.
Iarahan’ny masoivoho rosianina amin’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo na ny “Programme alimentaire mondial» (Pam) ho an’ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana any Atsimo izany. Hahafahan’ireo mpianatra ireo mifantoka tsara amin’ny fianarany rehefa ampy sakafo, ary hisian’ny fisakafoanan’ireo katitakely an-tsekoly na ny “cantine scolaire” . Araka izany, hitantana ny fandrindrana eny ifotony ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men). Tsiahivina fa efa nanolotra lelavola 4 tapitrisa euro ny fikambanana rosianina sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo, nandritra ny fotoana nisian’ny Pam teto Madagasikara. Marihina fa na misy aza ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine, miara-miasa amin’ny Fikambanambe iraisam-pirenena “Organisation des Nations Unies (ONU)” hatrany i Rosia.
Fitia ( Mpianatra Asa)