Raketa sy taretra: miaro ny tanàna tsy ho safotry ny fasika

Mihatototry ny fasika entin-drivotra ny tany ambolena sy ny trano fonenan’ny olona any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mamely rahateo ny tiomena tato ho ato ka lasibatra ny toerana maro.

Manampy ny mponina hamboly taretra sy raketa, eo ambonin’ny torapasika mba hiarovana ny tanàna sy ny tanimboly, araka izany ny CRS Madagascar, izay notohanan’ny USAID. Ny taretra izay azo avadika tady sy kojakoja madinika rehefa maina. Ny raketa, ilay karazany tsy misy tsilo kosa, azo avadika ho sakafom-biby rehefa matoy. Vahaolana voajanahary nampiharin’ny CRS Madagascar ireo ho fanamafisana ny fahaizan’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony hiatrika ny loza voajanahary. Efa maro ny tany volena tototry ny fasika ka tsy hita izay hanavotana azy. Miaro ireo sisa mbola azo avotana no hatao amin’ny alalan’ny fambolena ireo raketa sy taretra ireo.

Ilaina ny vahaolana mahomby toy izao mandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena handinihana vahaolana maharitra ho fiatrehana ny fikorontanan’ny toetr’andro (COP27) tanterahina any Egypta amin’izao fotoana izao.

Tatiana A

Partager sur: