Soja Jean André: “Mila hajaina ny maha olom-boafidy”

               “Isika olom-boafidy sy olom-boatendry no manao ny ataontsika dia mianjera any amin’ny filohan’ny Repoblika avokoa ny hadalana ataontsika”, hoy ny filohan’ny antoko Liaraike, i Soja Jean André na i Kaleta, manoloana ny fisian’ny olom-boafidy mihoa-pefy. Miteny amin’ny maha filoha lefitry ny Antenimierandoholona nandritra ny fe-potoam-piasana roa azy teo aloha izy, ary voafidy tamin’izany andraikitra izany fa tsy notendrena.

Tsy ny olona rehetra no loholona. Maninona, ohatra, no amin’ny maha loholona no mamango totohondry ny mpanampy ny mpamilina taxi-be? “Aoka mba hanaja tena”, hoy izy. Miala rehefa tsy zaka ny maha loholona, fa aza alana baraka ny Andrimpanjakana. Ajanony izany loholona na solombavambahoaka manao afera sy manao kolikoly izany.

Misy lalàna ifampifehezana ny eo anivon’ny antoko politika na vovonana antoko politika, ary miala ho azy ireo depiote sy loholona tsy manaja  lalàna. Torina any amin’ny HCC, ary miala ho azy ireo tsy manaja lalàna. Nefa tsy mbola amin’ny fitoriana aloha zareo, fa mbola manao fampahatsiahivana ny amin’ny tokony hanajana lalàna. Zony ny miteny an-dry zareo amin’ny maha lehiben’antoko azy, araka ny nambarany.

 

R.Nd.

 

Partager sur: