Tafatsangana eo anivon’ny Antenimiera, ny vaomiera mpanadihady ny “Raharaha Ikongo“. Nifanazava ny fomba fahitany izany sy nifampatsiahy ny tranga niseho ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary (Seg), ny Jly Serge Gellé.
Tsy nitsitsy fitenenana ny depioten’Ikongo, Razafintsiandraofa Brunelle, teny Tsimbazaza nilaza fa anisan’ny nahatonga ny tranga tahaka ireny any amin’izy ireo ny olana sosialy. “Eo ny kolikoly mihatra amin’ny vahoaka. Ny tsy fananana fahafahana mivelatra sy mandroso… Voarahona hatrany ary tsy mahita ny marina hatramin’ny fanjanahantany ka hatramin’izao“, hoy izy. Nekeny fa mety ho tonga amin’ny fahatezerana izany ka mahatonga tsy fanarahan-dalàna. Nanontany ny tenany sy ny andraikitry ny mpitondra nifandimby manoloana izany izy. “Nanao inona avokoa isika rehetra hatramin’izay ?” hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy mbola tafapetraka any amin’ny fitsarana, any Ikongo ny fitorian’ny havan’ny maty sy ireo naratra noho ny fiandrasana ny tonia mpampanoa lalàna.
Nanome toky anefa ny tenany fa hojerena ny andraikitry ny tsirairay tamin’iny fahafatesana olona, ny volana aogositra teo iny. Tombontsoan’ny firenena ny fahitana ny marina ka tsy maintsy ho hita. Nohitsiny koa fa vaomiera mahaleotena izao najoro izao ary tsy manaiky tsindry.
Tsy ho vita indray andro ny fanadihadiana
Etsy andaniny, nilaza ho manana fahavononana amin’ny fikarohana ny marina ny Seg, ny Jly Serge Gellé. Samy mahazo tombontsoa isika amin’ny fahafantarana ny nahatonga iny savovoro iny amin’izao fanadihadiana parlemantera izao. Hatrany amin’ny nanombohany sy ireo tranga efa niseho tany amin’ny taona 2016. Na izany aza, notsindrian’ny Seg ny mety ho fizotran’izany. ” Tsy vita indray andro ny fanadihadiana sady tsy mora amin’ny raharaha lehibe tahaka ireny. Nisy nitifitra tao fa teo koa ireo andian’olona nihazo ny lakazerina… Iarahana miasa ny momba izany“, hoy ihany izy. Nambarany koa anefa fa tsy miaro olon-dratsy na ny mpanao tandrevaka ny zandary fa tsy maintsy andraisana andraikitra izany.
Araka izany, andrasana manomboka eto izany ny ho tohin’ity “Raharaha Ikongo” ity.
Synèse R.
Anisan’ny mandrafitra ny vaomiera mpanadihady ireo depiote miisa 10, avy amin’ny IRD. Roa avy kosa amin’ny Tim sy ny GPR ary iray depiote avy amin’ny tsy miankina. Miankina amin’ny birao maharitra ny fanomezan-dalana sy ny fampitaovana hahafahan’ity vaomiera ity manomboka ny asa fanadihadiana hataony.