Talen’ny kabinetra MEH: “Mifono hevitra politika ny fanambaran’ny VOMZM sy ny SEMM”

Naneho hevitra ny talen’ny kabinetra ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Randrianaina Odon, omaly, manoloana ny fanambaran’ny mpitarika fikambanana Vondron’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa (VOMZM) sy ny sendika SEMM. Aminy, misy ambadika politika ireny fanambarana ireny.

Raha tsiahivina, nitaky ny fanalana ny minisitra MEH, Ramaroson Andry ireto naneho hevitra. Ho an’ny talen’ny kabinetra, diso fiantefa ny fitakian’ity mpitarika fikambanana ity, “tokony any amin’ny zavatra maharary ny mpanjifa no arovany. Maro ny fiantraikan’ny zava-misy ao amin’ny Jirama amin’ny vahoaka. Isan’izany ny fiakaran’ny faktiora, ny delestazy mampitaraina ny rehetra”.

Aminy, mifono zavatra hafa ireny fitakian’ny VOMZM ireny. Misy olona mampiasa ity fikambanana ity, iraka ihany izy, fa misy ny ao ambadika, mampiteny azy, hitarika ny olona hidina an-dalambe.

Sendika miaro mpanao politika?

Ankoatra izany, nisy koa ny fanehoan-kevitry ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama, ny SEMM. Notsindrian’ny talen’ny kabinetra, fa “natao hiaro ny mpiasa ny sendika, fa tsy ny mpanao  politika. Manaitra, hoe iza marina no ao ambadik’ity sendika ity, natao hiaro ny orinasa ve sa hiaro olon-tokana?”.

Ho an-dRandrianaina Odon, “ny minisitra ve no olana sa ny mpitantana ao amin’ny Jirama? Raha tena mpiaro ny mpanjifa tokoa ity mpitarika fikambanana ity, na miaro ireo tsimatimanota ao amin’ny Jirama. Raha mitranga ireny olana ireny, ny minisitra no antsoin’ny mpanjifa fa tsy ny mpitantana na ny filohan’ny filankevim-pitantanana (PCA) an’ny Jirama.

Nomarihiny  koa fa “mpanao politika ny tenako ary izay no maha tale kabinetra ahy, fa tsy teknisiana. Mifono politika ilay fanambaran’ny mpiaro ny VOMZM, matoa aho miteny”. Tsy misy idirany ny tomban’ezaka natao ireo mpitantana ny Jirama. Politisiana sady teknisiana kosa anefa ny minisitra, afaka manombana ireo tompon’andraikitry ny orinasa.

Hidangana ny faktiora raha lasan’ny tsy miankina

Notsindrian’ny talen’ny kabinetran’ny MEH, fa saro-piaro amin’ny orinasam-panjakana Jirama, ny minisitra Ramaroson Andry. “Tsy manana eritreritra na iray segondra aza ny minisitra amin’ny hanomezana ny Jirama ny tsy miankina. Iaraha-mahalala fa mivarotra fatiantoka ity orinasam-panjakana ity amin’ny faktiora aloan’ny mpanjifa. Tsy azo inoana hanao toy izany ny tsy miankina. Tsy maintsy hidangana avo telo heny na mihoatra ny faktiora raha izy ireo no hitantana ny Jirama, satria mitady tombom-barotra ny tanjony, izay ho loza ho antsika”, hoy izy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: