Toamasina: mihantsy polisy eny amin’ny “facebook” ny jiolahy

Mitsipaka ny fanelezana tsaho mahakasika ny fomba fiasan’izy ireo, nametraka fitoriana ireo olona nanaparitaka vaovao tsy marina mahakasika azy ireo ny polisy ao Toamasina, omaly.

Nivoaka tamin’ny fahanginana, namaly ny resabe niteraka savorovoro teo amin’ny tambajotran-tserasera ny polisim-pirenena ao Toamasina, notarihin’ny lehiben’ny  kaomisaria Centrale, Rakotovao Christian, omaly. Fanosoram-potaka tsotra izao no andraisan’izy ireo ny fanalam-baraka ny mpitandro filaminana. “Efa nisy fotoana nanesorana ahy teto Toamasina, ny taona 2014, niasa tany Fianarantsoa aho. Naverina ny taona 2016, satria nirongatra be ny tsy fandriampahalemana teto.”, hoy Komandin’ny Fip, ny komisera Rafaliarivo Jules. Nanamafy izy fa mitovy  tanteraka amin’izao zava-miseho ao an-toerana izao no nanesorana azy tao Toamasina. Roa taona taorian’io, naverina hampitony ny fandriam-pahalemana ny tanàna indray ity lehiben’ny FIP ity. Manahy amin’ny fisian’ny olona mahazo tombotsoa manokana amin’ny fisian’ny tsy fandriam-pahalemana araka izany ity lehiben’ny FIP ity ka anton’ny hisomparana ny polisy.

“Tsy matahotra hifampitady”

Manoloana ny tranga nahafatesan’ny jiolahy iray atao hoe Dinoh kosa, jiolahy efa namono nahafaty polisy io lehilahy io araka ny fanamafisan’ny polisy. Mpamerin-keloka, ampolony maro ireo nametraka fitoriana azy. Tratra  teo am-panaovana ny asa ratsiny araka izany ity farany. “Namaly ny polisy teo am-panantontosana ny asany io jiolahy io ka voatery niaro tena ireo mpitandro filaminana ireo”, hoy ny fanamafisan’ny kaomadin’ny Fip. Tsy hamela ireo jiolahy mpamono olona araka izany izy ireo ary tsy matahotra ny hifampitady velively. Tetsy ankilany, fanelezana tsaho hanelingelina ireo tomponandraikitra hamindrana toerana ny kaomisera roalahy miasa ao Toamasina ity tranga ity, hoy ny kaomisera, Rakotovao Christian.

“Tsy mampanofa basy sy mivarotra bala”

Hitory hahafahan’ny rehetra mahita ny zava-marina mahakasika ity raharaha fanosoram-potaka ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. “Tsy hampanofa basy na hivarotra bala amin’ny jiolahy izay tokony hosamborina mihitsy aho”, hoy ny Contrôleur général de police, Rakototiana Laubel, talem-paritry ny filaminana anatiny Atsinanana. Mitaky ny hanehoan’ireo milaza azy ho manana ny marina haneho ny porofo kosa ity farany. “Asehoy ny porofo na ny datin’ andro fotsiny aloha ho “indice” dia sokafana ny fanadihadiana, fa raha tsy misy izany dia aoka ny fanosoram-potaka”, hoy hatrany izy.

Karohina ny laharana finday

Tokony hofoanana rehefa tsy afaka hanao ny asany ny “cybercriminalité” amin’ny fikarohana ny laharan’ireo finday nanamparitaka fanasoketana ireo”, hoy i Velohafatra André, olon-tsotra. Tsy misy afa tsy ny fisamborana ny tompon’ireo kaonty nanely ny vaovao  tamin’ny tambajotran-tserasera ireo ihany ho azy no ahitana ny fahamarinana.

Sajo

Partager sur: