Tratran’ny Covid: atoka-monina ny tale jeneralin’ny Jirama

Diso ny vaovao! Tsy marina ny filazana tanaty gazety iray fa nisy nahita tany amin’ny faritra. Nilaza ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Randrianaina Odon, fa tsy mahafantatra an’izany vaovao izany ny tenany, fa raha ny fahafantarany azy, tratran’ny tsy fahasalamana ity mpitantana ny Jirama ity, nahatonga azy tsy afaka niatrika ny fanombanana niarahana tamin’ny minisitera, ireo tale notombanan’ezaka teny Ambohimanambola, ny herinandro lasa teo.

Etsy ankilany, misy koa ny loharanom-baovao manamafy izany, fa tratran’ny aretina Covid ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Jirama, Radanielina Rivo. Ao anatin’ny tranga misy fahasarotana ny tenany ary mitoka-monina any an-tranony.

Tsy mitombina avokoa, araka izany, ny filazana samihafa mikasika azy, araka ny nambaran’ilay fampahalalam-baovao.

Njaka A.

Partager sur: