Nihaona tao Ambohijatovo, omaly, ny minisitry ny Mponina, i Soafilira Princia sy ny fikambanana varira eto Madagasikara. Nolazaina tamin’izany fa anisan’ny mponina ihany koa ny olona varira ka tsy azo ailika ary manan-jo toy ny olon-drehetra. Nihaino ny fitarainana sy ny hetahetan’izy ireo ny minisitra ka fantatra tamin’izany fa misy manam-pahaizana tokoa ireo olona varira. Nahavita fianarana ambony na dia teo aza ny sedra mafy nolalovany amin’ny fahasamihafana misy tany an-tsekoly sy teny amin’ny fiarahamonina.Misy koa ireo olona varira manana ny fahaiza-manaony amin’ny asa tanana sy ny fanomezam-pahasoavana samihafa.
Nitondra vahaolana avy hatrany ny minisitry ny Mponina. Raisina ho mpiasam-panjakana, hitondra ny fahalalana norantoviny ho fampiroboroboana ny minisiteran’ny Mponina ireo varira manana ny fahaizany ireo. Ankoatra izany, efa misy ny tetikasa iarahana amin’ireo olona varira hampandrosoana ny fikambanany sy hiarovana azy ireo manoloana ny fanilikilihana eny amin’ny fiarahamonina….
Tatiana A