Andrimpanjakana mpanao lalàna: tsy mbola nivory mihitsy ny Antenimierandoholona

Ho feno iray volana amin’ity herinandro ity ny nanombohan’ny fotoam-pivorian’ny parlemanta roa tonta. Mbola tsy nanomboka ny asany ny ao amin’ny Antenimierandoholona ary tsy mbola nivory na indray mandeha aza hatramin’izao. 

Tsy mbola nisy na andinin-dalàna iray ka nodihin’ireo loholona tetsy Anosikely. Mbola mamita iraka any ivelany, efa andro maromaro, miatrika ny Cop 27, tanterahana any Ejypta hatramin’izao ny filohan’ity Andriampanjakana ity, Razafimahefa Herimanana.

Manana filoha lefitra miisa roa ny Antenimierandoholona, saingy angady tsy mahatapaka ahitra ?

Mitaky ny hanafainganana

Na izany aza, nanao antso avo tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hanafainganana ny fisitrahatsika ny famatsiam-bola momba ny toetr’andro ny filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ny lahateniny, tany  Charm el-Cheikh ny 14 novambra teo.  ”

Mitentina 21,828 lavitrisa dolara ny saran’ny fanatanterahana ireo hetsika tokony hatao eto Madagasikara (CDN) iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Alaina amin’ny fidiram-bola anatiny ny ampahany amin’izany“, hoy izy.

Tokony hitana ny teny nomena

Nanteriny ihany koa fa  tokony hahafahana misitraka fanohanana ara-bola sahaza izany ezaka izany amin’ny fandraisantsika anjara lehibe amin’io ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro io. “Tokony hanaja ny fampanantenana nomeny ireo firenena mandroso amin’ny hamatsiana vola mitentina 100 miliara dolara isan-taona ireo an-dalam-pandrosoana”, hoy izy.

Tsiahivina fa efa nanomboka sy niasa ny eny anivon’ny Antenimierampirenena nandritra izany iray volana izany. Midika ireo fa mbola miady mafy ho an’ny firenentsika izany Razafimahefa Herimanana ka mbola miandry azy ny fitohizan’ny fivoriana etsy Anosikely ?

Synèse R.

Partager sur: