Hitodika eny Anosizato Atsinanana indray ny mason’ireo mpankafy rugby, ny alahady ho avy izao. Ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny kianja Surprise Anosizato Atsinanana, hisy ny lalao fihantsiana telo, amin’io alahady io, amin’ny 3 ora tolakandro. Hanokatra ny fotoana ny lalao ho an’ny diviziona faharoa izay hifanandrinan’ny FTMA (Anosizato) sy ny RCAZ (Ambohibao). Eo koa ny lalao telo, ny rezionaly voalohany. Isan’izany ny fihaonan’ny Wallaby (Ankazotoho) sy FITA II (Anosizato). Anisan’ny hanamarika amin’io fotoana io ny lalao federaly voalohany ahazoana “Valopy Be” mitentina 2 tapitrisa Ar ny FTAT (Anosibe) sy ny Mata Dorea (Anosipatrana) no hiady haka izany. Marihina fa anisan’ny lalao andrasan’ny maro io fihaonan’ny ekipan’Anosibe sy Anosipatrana io. Tsiahivina fa natao izao lalao izao mba hitaizana ireo tanora eny ambany tanàna sy hampiray hina azy ireo hatrany. “Zava-dehibe ny fisokafan’ity kianja ity satria mampitombo ny fitiavan’ny tanora ny rugby. Tsy fotoanan’ny tsikera intsony izao fa fotoanan’ny asa”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, isan’ireo vy nahitana izao fotodrafitrasa goavana ho an’ny tanora eny ambany tanàna izao. Nohamafisiny fa hanamafy ny fanazaran-tena ny mpitia baolina rugby ny fahavitan’ity kianja ity ka nangatahany tolo-tanana sy fifanampiana amin’ireo tomponandraiki-panjakana, indrindra ny minisiteran’ny Fanatanjahantena.
Jean Claude
Ny fandaharan-dalao ny alahady 20 novambra 2022 :
Diviziona faharoa lalao fihantsiana :
7ora sy 30 mn : FTMA (Anosizato) / RCAZ (Ambohibao)
Diviziona voalohany lalao fihantsiana :
9 ora : Wallaby (Ankazotoho) / FITA II (Anosizato)
11 ora : Nanoowah (Anosizato) / TAM II (Anosibe)
1 ora tolakandro : HIZA 17 (Angarangarana) / A.C DINAMIC (Anosibe)
Rejionaly voalohany lalao fihantsiana (Valopy Be)
3 ora sy 30 mn : FTAT (Anosibe) / MATA DOREA (Anosipatrana)