Niaiky ny havitsian’ireo depiote miatrika ny fivoriana eny Tsimbazaza ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nambarany fa horaisina ny fepetra. “Tsy miantsy tapahana karama ireo depiote tsy tonga mivory”, hoy izy, afakomaly teny Tsimbazaza. Na izany aza, nambarany fa tokony manana antony mazava sy mitombina amin’ny alalan’ny taratasy ireo tsy afaka manatrika ny fivoriana eo anivon’ity Andrimpanjakana ity.
Tsiahivina fa efa nanao antso avo sy nanentana ny amin’ny tokony hampavitrika ireo depiote ny tenany tamin’ny lahateny fanokafana, ny 18 oktobra lasa teo. Somary niaro ireo solombavambahoaka koa ny eo anivon’ny fitantanana ankapobeny eny Tsimbazaza amin’ny tsy maha eto an-drenivohitra ny sasany ireo depiote. Eo ireo namita iraka any ivelany niatrika fihaonana iraisam-pirenena. Teo koa ireo nanao atrikasa teto an-toerana ankoatra ireo lasa any amin’ny faritra nahavoafidy azy noho ny olana samihafa : sosialy sy tsy fandriampahalemana.
Tsy aritry ny depiote Rahasimanana Paul Bert na i Rossy intsony anefa izany tamin’ity herinandro ity ka nampiaka-peo ny tenany, manoloana ny seza banga eny amin’ny Antenimiera. Zara fa miisa 20 eo ho eo izany amin’ireo depiote 151. Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny isan’izy ireo afakomaly, tamin’ny fananganana ilay vaomiera parlemantera mpanadihady amin’ny “Raharaha Ikongo”.
Araka izany, hiroso amin’ny dingana ambonimbony kokoa izany Razanamahasoa Christine.
Synèse R.