Nitondra tombontsoa lehibe ho an’ny Vondrona CFAO Motors sy ny mpanifa ny fampisehoana « Salon de l’auto » tamin’ity taona ity. Izay mpanjifa rehetra nividy fiara marika Toyota, Suzuki, na Mitsubishi dia mety mahazo fiara fanindroany tamin’ny fisarihana natao. Nahazo izany tamin’ny fisarihana ny Fikambanana Agakhan Education Service, izay nividy bus Toyota iray nandritra ny « Salon de l’auto », ny faran’ny volana septambra sy fiandohan’ny oktobra teny amin’ny CCI Ivato.
Tsara be fampisehoana natao ho an’ny CFAO, nahazoana famandrihana karazana fiara rehetra 192 ny varotra, niakatra 250 izany rehefa nitarin’ny Vondrona CFAO hatramin’ny 31 oktobra ny tolotra avy aminy. Natao taorian’ny fampisehoana ny varotra rehetra. Tsara fanomanana ny fampisehoana, niasa mafy ny mpiasa rehetra taloha sy nandritra izany fotoana izany ary nanana tranoheva tsara.
Tsiahivina fa nandritra io “salon de l’auto” io, nisy nifanarahana manokana tamin’ny mpanjifa hanampiana azy ireo. Tambin’izay miarin-doha ny orinasa, rehefa nandalo fotoan-tsarotra tahaka ny firenena rehetra, indrindra amina varotra fiara tahaka izao, betsaka ny mifampiankina.
Ndrina