CUA sy Airtel: olona 1000 nozahana fahasalamana maimaim-poana

Olona manodidina ny 1000 nahazo fizaham-pahasalamana maimaim-poana noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel sy ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA). Manamafy ny andraikiny eo amin’ny fiarahamonina ny Airtel amin’izany hetsika izany momba ny fahasalamana.

Ho an’ny CUA, niarahana nitety boriborintany 6 ho an’ny asa ara-pahasalamana manatona vahoaka. Napetraka tao amin’ny boriborintany I, fokontany Anatihazo Anjezika, ny 8 hatramin’ny 11 novambra 2022 ny tobim-pahasalamana iray. Fotoana ho an’ny CUA sy Airtel nanaovana tomban’ezaka eo amin’ny fiaraha-miasa lavitr’ezaka.

« Hatramin’ny niatombohan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta tamin’ny marsa 2022, olona 1000 eo ho eo, eto an-drenivohitra no nahazo fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaim-poana. 100 na 120 isan’andro ny  tonga manao fizahana tsotra, ny sasany kosa manao fizahana izay mety ho olana rehetra ao aminy », hoy Dr Rabeson Herve, lehiben’ny sampana momba ny fahasalamana,CUA..
Indroa isam-bolana ny Airtel sy ny CUA no miaraka manamora ny fizahana, anisan’izany ny fizahana maso sy diabeta. Raisin’ireo mpiara-miombon’antoka koa ny vehivavy na mpivady mila fanohanana fandrindrana ara-pianakaviana, sy ny zaza tsy ampy sakafo. Misy ekipa atokana ho an’ny mpiasa, manampy sy manoro hevitra ireo tratran’ny herisetra. Eo koa ny vaksiny miaro amin’ny Covid.
« Amin’ny asany rehetra, tsy manao ambanin-javatra ny lafiny sosialy ny Airtel. Manakaiky ny mponina hatrany hisian’ny fampandrosoana maharitra, antony tsy nampisalasala anay manohana ity tetikasa manakaiky ny vahoaka ity. Izany dia noho ny fahafantaranay fa mbola sarotra ny fahasalamana eny ifotony, lavi-toerana, ary mbola tsy ampy ny fitaovana », hoy Ratsimbarison Anna, miandraikitra ny serasera ao amin’ny Airtel.

 

Ndrina

Partager sur: