Echec: tompondakan’i Eoropa Razafindratsima Timothé

Manga indray ny lanitra teo amin’ny taranja lalaon-tsaina Echec, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa ho an’ny tanora, latsaky ny 16 taona, taona 2022. Fifaninanana natao tany Torkia, ny 5 hatramin’ny 14 novambra 2022. Voahosotra ho tompondaka an’i Eoropa ny mpilalao malagasy, Razafindratsima Timothé. Anisan’ny nisongadina indrindra tamin’ireo mpilalao miisa 1000, avy amin’ny federasiona 46 ao Eoropa nandray anjara ity mpilalao malagasy ity, raha ny tombana natao taorian’ny lalao rehetra. Na dia very antsasan’isa aza izy nanoloana ny mpifanandrina taminy, i FIDE Robert Piliposvan sy ny faharesena nanoloana an’i Axel Falkevall, tsy nilavo lefona izy ka izao nibata fandresena izao. Tsy vao izao i Timothé no namiratra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena raha hatao jery todika ny zava-bitany. Efa nahazo ny laharana fahefatra nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny latsaky ny 16 taona izy, ny volana septambra lasa teo, tany Romania. Vao tsy ela ihany koa fa ny volana aogositra lasa teo Razafindratsima Timothé no nahazo ny anarana « Maitre International ». Tsiahivina fa mpilalao teratany malagasy, mila ravinahitra ao Frantsa i Timothé ary mandray anjara amin’ny fifaninanana maro any an-toerana.

 

Mi.Raz

Partager sur: