Fiantsonana eto an-drenivohitra : manana 15 andro ireo tsy nanara-dalàna hanefana sazy

Mangarahara ary tsy hanavahana na iza na iza ny fampiharana ny lalàna amin’ny fiantsonana tsy manara-dalàna eto Antananarivo Renivohitra. Ireo sisin’arabe ahitana soritra nataon’ny orinasa SMGD dia handoavan’ny fiara miantsona eo, tapakila 500 ariary isaky ny ora iray. Ny tsy fandoavana ny tapakila alaina amin’ny fitaovanaa manokana dia midika ho fandikan-dalàna. Manana 15 andro anefa ny tompon’ny fiara tsy nanara-dalàna mba hanefana ny sazy aorian’ny fandraisana ny taratasin-tsazy. Aorian’io fotoana io,  mihatra avy hatranhy ireo tataon- tsazy izay hita ao ambadiky ny taratasy. Nanamafy ny orinasa SMGD izay misahana ny fitantanana ny toeram-piantsonana eto an-drenivohitra fa ny fandavana tsy handray ny taratasy fehezan-dalàna famaizana dia tsy manafoana ny sazy akory fa vao mainka aza hitarika ny mety ho fanagiazana ny fiara. Azo atao tsara  ny manamarina izany eo anivon’ny sampana mpandray ny fitarainana. Ny fehezan-dalàna famaizana dia taratasy alefa ho an’ny tompon’ny fiara nandika lalàna teny amin’ny toeram-piantsonana , ka tsy mbola nanefa ny sazy mifanaraka amin’izany.Tsiahivina fa ny voatoatin’ny fehezan-dalàna famaizana dia mirakitra fampahafantarana ny laharan’ny fehezan-dalana famaizana, hita ao ny daty nandefasana ny taratasy, ny fandikan-dalàna natao izay ahitana ny daty sy toerana nisehoany ary ny laharan’ny fiara tsy nanara-dalàna sy ny lamandy tokony haloa. Raha maharay ny taratasy fehezan-dalàna famaizana misy ny lamandy dia azo aloa eny amin’ny biraon’ny SMGD, rihana fahatelo ao amin’ny trano  Saint Auprès Tsaralalana izany. Mandà sy tsy manaiky ny fanaovana kolikoly ny tomponandraikitra ao.

Tatiana A

Partager sur: