Tapaka nandritra ny fivoriamben’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana, ny siansa ary ny kolontsaina tao Paris, ny taona 1972 ilay fifanaharana izay mahakasika ny fiarovana ny harembakoka iraisain’izao tontolo izao. Mamaritra ireo zavaboahary na harembakoka ara-kolontsaina izay mahafeno ny fepetra hampidirina anaty lisitra, mamaritra ihany koa ny andraikitry ny firenena manana ny harembakoka, indrindra mikasika ny fiarovana izany ny fifanarahana.
Anisan’ireo nanao sonia ny fifanarahana, ary manana harembakoka iraisan’izao tontolo izao miisa telo i Madagasikara. Ny Tsingin’i Bemaraha no voasokajy voalohany ny taona 1990. Nanaraka avy eo ny Rovan’Ambohimanga, ny taona 2001 ary ny faritra mando any Antsinanana ny taona 2007. Manana adidy amin’izay fiarovana ireo harembakoka iraisan’izao tontolo izao ireo ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, izay miara-miasa amin’ny sampan’ny unesco eto Madagasikara.
Misy ireo vina niaraha-nametraka, hanamafisana izay fiarovana sy fikajiana izay. Iararaha-manaiky mantsy fa marefo manoloana ireo vokadratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Manginy fotsiny ireo olana isan-tsokajiny sedraina amin’ny fiarovana ny harembakoka. Araka izany, napetraka ireo tanjona amin’ny ankapobeny sy ireo tanjona manokana, ho an’ny 50 taona manaraka. Lehibe indrindra anatin’ireo teboka maromaro ny fiarovana ireo harembakoka amin’ny afo sy ny fanentanana ny mponina ifotony amin’ny alalan’ny fampahafantarana azy ireo ny tombontsoa miverina aminy, noho ireo harembaoka iraisan’izao tontolo izao ireo.
Zo ny Aina