Harena an-kibon’ny tany: vonona hiara-kiasa amintsika i Japana sy India

Nandray masoivoho vaovao roa ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MEH), Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly. Noraisiny voalohany ny masoivohon’i Japana, SEM Abe Koji, niresahana ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Isan’ny voakasik’izany ny tetikasa Ambatovy, izay nahatratra 8 miliara dolara ny fampiasam-bola natao ka i Japana no manana petra-bola be indrindra amin’ny alalan’ny orinasa Sumitomo Corporation. Nilaza ny masoivoho japoney, fa mbola manana 20 taona ny fijanonan’izy ireo eto Madagasikara ao anatin’ity tetikasa Ambatovy ity.

Nodinihina koa ny fiaraha-miasa hanofanan’ny Japoney, hampitomboana ny fahaiza-manaon’ny teknisiana malagasy, mba hifanaraka amin’ny teknolojia. Tsiahivina fa efa maro ny injeniera malagasy nahazo fiofanana tamin-dry zareo Japoney, ka anisan’izany ny tale maromaro tao amin’ny minisitera. Nomarihin’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa tsy voatery any Japana no hatao ny fiofanana, fa misy koa any Botswana, mampiofana mikasika ny sampana “télédétection”.

Firenena mpanafatra angovo sy vatosoa i India

Olo-manan-kaja faharoa noraisin’ny minisitry MEH, ny masoivoho indiana, SEM. Bandaru Wilsonbabu. Marihina fa firenena tena manjifa ny vokatra angovo India, miampy ny  vatosoa sy ny volamena. Koa, hojerena ny fomba ahafahan’i Madagasikara mamatsy ireo vokatra ireo any India. Manampy izany, manan-danja tokoa ho an’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny teknisiana malagasy. Koa, nojeren’ny roa tonta ny fahafahana mifanakalo traikefa amin’ireo teknisiana Indiana.

Njaka A.

Partager sur: