Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara, i Guo Xiaomei ireo miaramila telo lahy mpianatra teny sinoa, omaly, teny amin’ny Institut conficius eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Nohamafisin’ny masoivohon’i Sina fa manamarika ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny masoivoho sinoa izao. Tsy vao izao fa efa hatry ny ela ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika Malagasy sy Sina amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny fianarana teny sinoa. Tsiahivina fa efa 50 taona izao ny nisian’ny fifandraisan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina sy ny Repoblikan’i Madagasikara. Marihina fa ankoatra ireo mbola mandranto fianarana, misy koa ireo efa manaraka fiofanana any Sina.