Kitra – « Mondial 2022 »: ankafizin’ny mpanao hatsikana ny Séleçao Brésil

 Hanomboka ny alahady 20 novambra izao ny “Mondial 2022” any Qatar. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpankafy momba izany teny Antaninarenina, omaly. Naneho ny heviny ireo tanora mpanao hatsikana.

Raitra

Mahasarika olona maro eto an-tany ny taranja baolina kitra, indrindra fa ny “Mondial”, naniry mba ho lasa mpanao baolina ny tenako nefa lasa mpanao hatsikana. Maro ireo ekipa mafy amin’ity lalao ity, fa manohana ny Brésil aho. Ny fahaizan’ireo mpilalaon’ny brésil maneho ny talentany sy ny fampisehoana   ataony eny ambon’ny kianja, izay nankafizako an’izy ireo. Mety hifanandrina amin’ny Belzika izy ireo amin’ny lalao famaranana, mety ho tonga amin’ny fandakana “tir au but” izany ary hivoaka mpandresy ny  Seleçao Brésil.

Aina Maharavo

Fomba fandraisako an’ilay “mondial”, tsy maintsy miaraka amin’ny namana, satria mahafinaritra foana ny fanombohany toy izao. Fa ilay misotro mijery baolina tsy mety, fa vita baolina vao manao fety. Ny Brésil nosafidiako mandritra ity fifaninana ity,  noho ny fisian’ireo mpilalao malaza toan-dry Neymar sy Vinicus Jr …, ary hifanandrina amin’i Alemaina izy ireo aminy amin’ny lalao famaranana, haverina indray ny tany Maracana Stadium( Mondial 2014)  na mety ho tafavoaka any anaty fanalavam-potoana ny Séleçao.

Sitraka

Tsy mpanaraka baolina kitra ny tenako ka tsy nasiana fiomanana be loatra ny “Mondial 2022” fa mijery sy manaraka mitovy amin’ny rehetra ihany. Alemaina hatramin’ny farany izaho amin’ity lalao any Qatar ity. Heverina fa hifanandrina amin’ny Frantsa izy ireo amin’ny famaranan-dalao, ary baolina tokana monja no hazahoan’ireo Rainiboto ny amboara eran-tany.

 

Fitia sy Lin (Mpianatra Asa)

Partager sur: