Kitra vehivavy – “Mada 2022”: ekipa 23 hiady izay ho lohany

Hanomboka amin’ny asabotsy 19 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny baolina kitra vehivavy. Miisa 23 ireo ekipa handray anjara sy hiady izay ho lohany amin’izany. Nozaraina ao anaty vondrona efatra izy ireo ka hampiantrano ny sokajy “A”, Diana. Any Alaotra Mangoro kosa ny sokajy “B” raha any Amoron’i Mania ny “C” ary horaisin’Androy kosa ny “D”.

Mifandimby mihaona ny rehetra ka hiatrika ny ampahefa-dalana ireo roa voalohany isam-bondrona. Tsiahivina fa haharitra hatramin’ny 27 novambra, ho avy izao ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity.

Tompondaka

 

Ireo fizaram-bondrona

 

Vondrona “A” (Kianja Diana)

1-AFDA Diana ; 2-SOM Boeny ; 3-FC SAVA Sava ; 4-AS Tsiky Sofia ; 5-Mifa Analamanga ; 6-AC Sab-Nam Vakinankaratra

Vondrona “B” (Kianja Alaotra Mangoro)

1-AFAF Analanjirofo ; 2-Canon Antsinanana ; 3-AS Ademo Alaotra Mangoro ; 4-L Man Bongolava ; 5-FCF Matsiatra Ambony ; 6-ASEFAMA Itasy.

Vondrona “C” (Kianja Amoron’i Mania)

1-AS Ammy Amoron’i Mania ; 2-Disciples FF Vakinankaratra ; 3-Asot Analamanga II ; 4-Ascuf  Matsiatra Ambony ; 5-AS Comato Atsimo Andrefana ; 6-FFI Ihorombe.

Vondrona «D» (Kianja Androy)

1-Rayon d’Or Menabe ; 2-3FB Ambovombe Androy ; 3-3FB Betroka Anosy ; 4-Atsimo Antsinanana ; 5-Vatovavy Fitovinany

Partager sur: