Amin’izao fandraisan’ny Qatar ny lalao lehibe iraisam-pirenena na ny « Mondial 2022 » izao, namoaka fepetra maro tao anaty tambajotran-tserasera izy ireo, omaly. Hampiatra lalàna miisa 10 ny Qatariana mandritran’ny fivahinian’ireo olona any amin’izy ireo, ka isan’izany ny fanakaramana ireo mpanara maso miisa roa hetsy, izay handrindra ny mpivahiny sy ny mponina.
Norarana ny fiarahan’ny lahy sy vavy tsy mpivady ara-dalàna ao anaty hotely. Tsy azo atao koa ny fiarahan’ireo mitovy fananahana (lahy samy lahy na vavy samy vavy), hajaina daholo ireo fomba tany rehetra. Miisa iray tapitrisa ireo fakan-tsary sy drôna hiparitaka. Tsy ekana ny fividianana “Carte Sim”. Harahi-maso avokoa ireo someso sy antso ao an-toerana. Hosokafana mamaim-poana ny “Wifi”. Maimaim-poana ny fitaterana rehetra mandritra ny “Mondial”. Ary tsy asiana lalao mandritra ny fivavahana rehetra. Mbola sarotra ny mampihatra ireo lalàna ireo eto amintsika.
Fitia (Mpianatra Asa)