Hisorohana ny loza mateti-pitranga anatin’ny lalam-pirenena faha-44, nanao hetsika nentina nampianarana ireo mpitondra fiara ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny fari-piadidian’ny polisim-pirenena Alaotra Mangoro, afakomaly. Fiara 182 nandalo tamin’iny lalam-pirenena iny araka izany no nanaovan’izy ireo fisavana sy narahi-maso. Nanome torimarika manokana ireo mpampiasa lalana ireo ny polisy. Voakasik’ity hetsika ity avokoa ny fiara rehetra. Anisan’izany ny taksibrosy nasionaly sy regionaly nahatratra 45 isa. Nosinganina manokana koa ireo fiarabe mpitatitra entana sy ny fiara tsotra ary ny kodiaran-droa. Hitohy hatrany ity hetsika ity araka ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.