Roa taona taorian’ny Covid : tonga indray ny mpilatsaka an-tsitrapo 

Andro manan-tantara ho an’ny Peace Corps Madagascar ny andro anio. Faly izahay manavao indray ny fiaraha- miasanay amin’ireo fiarahamonina eny ifotony hiasan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo Amerikana ”, hoy ny talen’ny Peace Corps Madagascar,  Brett Coleman, raha nanamarika ny fiverenan’ireo tanora amerikana mpanao asa soa eto amintsika indray. Mpilatsaka an-tsitrapo 19 avy amin’ny Peace Corps noho izany no nampanaovin’ny Ambasadoaro amerikana, Claire Pierangelo, fihanianana teto Antananarivo. Tsiahivina fa nampodiana tany Etazonia izy ireo ny taona 2020 noho ny valanaretina Covid-19 maneran-tany. Ny 14 amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps  ireo dia hampianatra ny teny anglisy any amin’ny CEG sy ny Lycée ary Oniversite. Ny dimy hafa dia hampiroborobo ny fambolena mifanaraka amin’ny toetr’andro any amin’ny toerana ambanivohitra hiadiana amin ’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nampahatsiahivin’ny Ambasadaoro Pierangelo tamin’ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto fa ambasadaoron’ny kolontsaina sy ny soatoavina amerikana izy ireo. «  Mahatoky aho fa hampiseho amin’ny vahoaka malagasy ny tsara indrindra avy any Etazonia ianareo », hoy izy tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo.

Tatiana A

Partager sur: