Rugby – Lalao fihantsiana: hanafika ny Makis de Madagascar i La Réunion

Hiseho sehatra indray ny Makis de Madagascar lehilahy, rehefa tsy tazana nandritra ny fotoana maro. Hiatrika lalao fihantsiana ry zalahy amin’izany. Hanafika ny Makis ry zareo avy atsy La Réunion.

Nangataka hanatanteraka lalao fihantsiana amin’ny Makis de Madagascar ny ekipan’i La Réunion, sokajy lehilahy “sénior”. Neken’ny mpanazatra sy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby izany ka raikitra fa hotanterahina ny asabotsy 10 desambra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Rugby ho an’olona 15 ity hatao ity. Tanjon’ny roa tonta ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara, ny taona 2023.

Tsy matetika midona amin’i La Réunion ny Makis de Madagascar fa lalaon’ny klioba hatrany ny hany hifanandrinana amin’izy ireo. Efa samy vonona ny roa tonta hiatrika izany. Ny Makis de Madagascar rahateo efa miatrika ny fampivondronana, hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.

Ankoatra izay, efa hiverina hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ihany koa ny Makis de Madagascar, amin’ny taona ho avy. Tsiahivina fa ao anatin’ny “Top 10 Afrique” ny Makis, amin’izao fotoana izao.

Mandra-piandry izany, efa fantatra avokoa ireo firenena efatra hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025”, ho an’ny vehivavy dia i Afrika Atsimo, i Kenya, i Kameronina ary ny Makis de Madagascar. Andrasana izay firenena hampiantrano izany sy ny raiki-pohy, hanatontosana

ny fifaninanana.

Raha tsiahivina, firenena tsy vaovao amin’ny Makis ireo mpifanandrina aminy ireo. Kenya, indroa resin’ny tovovavy malagasy tao an-kianjany, ny taona 2021. Afrika Atsimo nanilika ny Malagasy nandritra ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2022”. Kameronina kosa firenena vao niakatra, taorian’ny sazy nahazo azy ka tsy niatrehany ny fifaninanana nokarakarain’ny World Rugby, nandritra ny 8 taona, vokatry ny korontana anatiny.

 

Tompondaka

Partager sur: