Taorian’ny solika: miala any koa ny menaka fihinana mitampoka

Tsy tena tapitra ny raharaha solika mitampoka eto Toamasina, na somary mangina kely aza tato ho ato. Mipoitra koa izao ny menaka fihinana mitampoka , izay efa miparitaka eto an-tampon-tanànan’i Toamasina sy manerana ny tanàna amin’ny lalam-pirenena faharoa RN 2 sy fahadimy RN5.

Isan’ny lasibatra tamin’izany ny mpivarotra hani-masaka iray eny Andranomadio, parisela 11/41, tsy lavitra ny Bungalow Taratra. Nambarany, fa ny antsasany  ihany no tena menaka, rano avokoa ny ambiny. “Iray volana lasa izay, nisy lehilahy iray manodidina ny 40 taona, tonga teo amiko. Nilaza fa mivarotra menaka amin’ny daba (bidon), tena tsara kalitao ka 7.000 Ar ny litatra. Mody nanao fampisehoana nararaka tamin’ny kaopy, nalainy tao anaty daba ary hita fa tena menaka tokoa”, hoy izy.

Nandeha ny ady varotra ka raikitra ho 6.000 Ar/l, nividy 5 litatra ity mpivarotra hani-masaka ity. Nony tonga tany an-trano, nojerena rehefa handeha hikarakara sakafo, rano mangatsiaka daholo ny antsasa-manilan’ilay menaka.

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Taorian’izany, sendra hitan’ity ramatoa ity nandalo teny Andranomadio, ilay rangahy nisoloky azy. Raikitra ny fifanazavana, saingy nanda hatrany ilay lehilahy ary nikasa hikasi-tanana an-dRtoa mpivarotra. Efa nanomboka nitangorona ny fokonolona saika hanao fitsaram-bahoaka. Nahatrarana menaka mitampoka amina daba 5 litatra tany aminy. Nilaza ity lehilahy ity fa mahalafo menaka mitampoka 15 litatra isan’andro izy. Mitohy ny fanadihadiana.

Sajo

Partager sur: