Misy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny CUA, ny ONG Gret ary ny Nutri’zaza amin’ny alalan’ny tetikasa Aintsoa. Hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo an-drenivohitra no tanjona.
Notontosaina omaly 16 novambra 2022, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny fifanaovan-tsonia amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny ONG Gret ary ny Orinasa Nutri’zaza momba ny tetikasa Aintsoa, vatsian’ny AFD vola. Tetikasa laharana volaohany ao anatin’ny veliron’ny ben’ny Tanànan’Antanananarivo Renivohitra izany, hanatsarana sy hampiroboroboana ny fiainan’ny mponina.
Maro ny tanjona, araka ny fanazavana nataon’ny tomponandraikitry ny tetikasa. Anisan’izany ny hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo maharitra, ny tsy fahasalamana ary ny tsy fitoviana ara-tsosialy misy eo amin’ny mponina. Ezaka atao amin’izany ny fanatsarana ny sakafo sy ny fari-piainan’ny marefo, indrindra ny vehivavy sy ny ankizy, raha ny fanazavana hatrany.
Paikady maro no atao hanatrarana ny tanjona, anisan’izany ny fanentanana ny mponina hanao ny fambolena sy fiompiana an-tanàn-dehibe. Eo koa ny fanomezana ny tolotra ara-tsosialy maimaim-paona ary ny fanatsarana ny fidiovana sy fahadiovana. Noentanina ihany koa ny mponina mba hahay handanjalanja ny fihinanana sakafo sy hahay hanodina ny fako.
7 tapitrisa euros ny famatsiam-bola avy amin’ny AFD ho an’ny tetikasa. Andrasana, araka izany, ny vokatsoa entin’ity tetikasa ity eo amin’ny mponina, indrindra ireo sahirana sy marefo. Eto Antanananarivo no herin’ny tetikasa ary hiparitaka any amin’ny faritra maro.
Mino ( Mpianatra asa)