Tontolon’ny hatsikana: miezaka maka ny toerany ny mpanao « Stand-up »

Maro ny ezaka ho an’ny mpanao « Stand-up » Malagasy. Ilay karazana hatsikana nataon’ireo zoky teo aloha foana mantsy no tonga ao an-tsain’ny olona raha vao mijery hatsikana, hany ka lasa diso fanantenana izy ireo vao « stand-up » no atao.

Natao teny amin’ny « Cercle Germano-Malagasy » na CGM Analakely, ny alarobia,  16 novambra 2022, ny hetsika Sokaf’hehy. Fampisehoana karakarain’ny vondrona Sandix, iarahany miasa amin’ny CGM. Fampisehoana nandraisan’ireo mpanao hatsikana vao misandratra anjara. Isaky ny alarobia fahatelon’ny volana no hanatanterahina izany. Tanjona amin’izao ny hampiseho ny maha izy ny « Stand-up ». Eo ihany koa ny fampahafantarana azy ho an’ny amin’ny daholobe. Ity karazana hatsikana ity, izay mbola tsy be mpahafantatra raha ny eto Madagasikara manokana. Ny « Stand-up » dia  karazana hatsikana ataon’olona iray, tsy ilana fitaovana na ravaka fa ny mpijery no vavolombelona sy mitsara avy hatrany ny seho.

Nanomboka ny taona 2018 ny Sokaf’hehy. Miray tanjona amin’ny fampiraisana ny mpanao hatsika malagasy ny hetsika. « Mbola tsy tafapetraka tsara ny « Stand-up » raha oharina amin’ny karazana hatsikana hafa  ataon’ireo mpanao hatsikana zokiny, raha ny eto Madagasikara manokana », araka ny nambaran’i Sitraka, mpanao « Stand-up. Olana ho an’ny mpanao « Stand-up » ny maha karazana hatsikana niforona taty aorina azy. Mbola takon’ny karazana hatsikana nataon’ireo zoky teo aloha ny « stand-up » na dia efa tany amin’ny taona 2010 tany ary ny nahatongavany teto. Miara-miasa foana kosa anefa ny zoky mpanao hatsikana sy ireo zandry vao nisondrotra ho fampiraisana ny mpanao hatsikana malagasy.

Ankoatra izay, hanomboka ny 17 novambra 2022, ny « festival du rire » Jôkôsô 2022, andiany faharoa. Eny amin’ny Ivontoeran’ny kolotsaina malagasy na IKM Antsahavola no hanatanterahan izany, manomboka amin’ny 3 ora hariva, andraisan’ireo mpanao hatsikana zokiny sy ireo vao nisodrotra anjara ny hetsika.

 

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: