Tontolon’ny kabary: feno 59 taona ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy

16 novambra 1963 – 16 novambra 2022, feno 59 taona katroka, omaly, ny nijoroan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Manamarika izany, ao anatin’ny 4 andro ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana sy fampivelarana ny kabary malagasy ity. Efa sehatra goavana no iasana (maneran-tany), ka nanapa-kevitra ny hampiasa bebe kokoa ny teknolojiam-pifandraisana ny Fi.Mpi.Ma, hoenti-mampahafantatra sy miaina ireo hetsika hanamarika io vanim-potoana io.

Hetsika « Fi.Mpi.Ma mandalina », notanterahina, omaly, tamin’ny alalan’ny fanolorana voka-pikarohana nataon-dRtoa Ratovoson Domoina Nirina Haingoniala (sokajy mpandalina). Lohahevitra nofidiany tamin’izany ny « Ireo toetra soa efatra ilafihan’ny kabary tonga lafatra ». Anio, « Fi.Mpi.Ma misehatra », seho kanto samihafa, manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora alina. Tontosaina amin’ny alalan’ny « zoom » avokoa ireo. Rahampitso, « Fi.Mpi.Ma miofana », fiofanana amina lohahevitra maro. Ny 19 novambra, « Fi.Mpi.Ma, miroso », fanapahana ny tetikasa taona 2023.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: