30 taona an-tsehatra: hofaranan’ny Mage 4 amin’ny seho lehibe

Mbola nisy tsy teraka ireo mpikambana ao amin’ny Mage 4 amin’izao fotoana, tamin’ny nanombohan’ny tarika… Nanamarika ny faha 30 taonany ny Mage 4 tamin’ity taona ity, ka tany Toliara no nisafidian’izy ireo nanombohana izany. Rehefa avy nandalo faritra vitsivitsy, hofaranana amin’ny seho goavana, izay hatao ny alahady 20 novembra izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, izany. Fotoana efa elaela no nomen’ny tarika ireo mpankafy azy, satria samy nalai-nisaraka ny roa tonga nandritra ny seho farany tao. Hitondran’ny tarika indray ireo hira nanamarika ny mpankafy nandritra izay 30 taona izay. Misy ny holalaovina amin’ny rindra « acoustique », toy ny efa fanaon’ny tarika ihany. Hisy ampaham-potoana hianohana ireo vokatra taty aoriana ihany koa, izay manamarika ny fiatrehan’ny Mage 4 ny ho avy indray.

Zo ny Aina

Partager sur: