Andriamoraniaina Niaina Harijaona: “Aoka tsy hiandry savorovoro vao hifampidinika”     

“Tsy hiandry efa misy savorovoro isika vao hiady hevitra momba ny hanatsarana ny tontolo mialoha ny fifidianana sy ny lalàna enti-mitantana ny fifidianana hahazoana manana fifidianana matotra”, hoy ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, teny Analakely.

Eo koa ny fahazoana manana rafitra hikarakara fifidianana matotra ary hahazoana lalàm-pifidianana matotra, ka hiteraka vokatra hoeken’ny rehetra sy ho fototry ny fampandrosoana maharitra. Fa tsy hoe ny fifidianana hatao indray no hampangozohozo izay efa mba azo sy tanteraka kely teo aloha, ka hampiverina amin’ny krizy manaraka.

Amin’ny maha firaisamonina sivily azy ireo, heveriny fa manana adidy aman’andraikitra ry zareo mitarika na manamora fifanakalozan-kevitra amin’ireo teboka fototra ireo hahazoana mametraka  firenena marina, salama na ara-batana na ara-tsaina na ara-tontolo iainana, ary mandroso ara-toekarena ka mba hiaina ao anatin’izany fandrosoana izany ny Malagasy.

Andiany faharoa ny Havoria

Mandritra ny hateloana ny atrikasa ary hifarana anio, momba ny fametrahana ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina (CESCE). Fandresen-dahatra ny mpisehatra rehetra izany, indrindra ny mpanapa-kevitra eo amin’ny lafiny fahaiza-mitantana, fanjakana tsara tantana, demokrasia, zon’olombelona… Anisan’ny dinihina sy ifanakalozana amin’izao, ohatra, ny amin’ny fahazoana sy fisitrahana antontam-baovao, ny zon’ny vehivavy sy ny manana fahasembanana, ny amin’ny fifidianana

R.Nd.

Partager sur: