Famonoana an’i Henri R.: misy ny tsindry miaro ny voampanga

Hatao, anio 18 novambra 2022, eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Ambatolampy, sampana heloha bevava, ny raharaham-pitsarana namonoana an-dRatompokolahy Rakotoarisoa Henri. Izy dia filohan’ny Vondrona olona ifotony (VOI) Mialo, fikambanana miaro ny tontolo iainana,  any Ankazondandy Beparasy, kaominina Mangarivotra, distrika Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izy, ny 2 jona 2022, ka miisa 35 ireo nitolo-batana teny amin’ny mpitandro filaminana, nilaza fa nandray anjara, mivantana na ankolaka tamin’izany.

Taorian’ny fakana am-bavany teny amin’ny fitsarana, ka notazonina am- ponja vonjimaika ny 12 tamin’izy ireo. Fantatra anefa, araka ny loharanom-baovao azo, fa misy ny mitady hirika hanalefahana ny sazy amin’ireo voampanga ireo. Araka ny voalaza etsy ambony, nitolo-batana ireo olona 35 voarohirohy ireo, izay azo adika, fa mety nisy manohana, na koa miaro, matoa sahy nanao izany. Izay azo heverina, fa mety ho olona na tambajotra, mety manana fahefana hiaro, matoa afaka maniraka azy ireo hitolo-batana.

Manara-maso ny iraisam -pirenena

Satria, nanohitra sy niady amin’ny fandripahana ny ala any Ankazondandy Beparasy no nataon-dRakotoarisoa Henri.

Na izany aza, manara-maso akaiky ity raharaha ity avokoa ny sampana samihafa eto an-toerana, toy ny Alliance voahary gasy (AVG), ny Transparency iraisam-pirenena sampana  Madagasikara (TI-IM), ny WWF, sns. Toraka izany koa ny rafitra iraisam-pirenena, manohana an’i Madagasikara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Antony, tafiditra ao anatin’ireo mahery fo nitolona ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana i Tpkl Rakotoarisoa Henri.

Njaka A.

Partager sur: