Fampiasana ny «Maman kangourou »: isan-taona,  zaza 118 000 teraka tsy ampy volana

118 000 ny isan’ny zaza teraka tsy ampy volana isan-taona eto Madagasikara ary 5 400 ny zaza latsaky ny 5 taona mamoy ny ainy vokatry ny fahasarotana avy amin’ny fahaterahana tsy ampy volana. Fomba mahomby hikarakarana ny zaza teraka tsy ampy volana ny fampifandraisana mivantana azy amin’ny ray aman-dreny antsoina hoe « Maman kangourou ». Tsotra, tsy ilana volabe ny fampiasana ity fomba ity ka naparitaka eny anivon’ny hopitaly ary tsapan’ny mpitsabo fa manome vokatra tsara. Ho fanohanana ny famonjena aina, manampy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Unicef amin’ny fampitaovana famelomana aina ny zaza vao teraka. 80% amin’ireo toeram-pandraisana no nisitraka fitaovana ary 51% a       min’ny toeram-pitsaboana no efa nahazo fiofanana momba ny fandraisana ny zaza vao teraka. Maimaim-poana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny adolantsento miaraka amin’ny fandraisana an-tanana  ny fiterahana sy ny aretina tazo, fivalanana ary lefakozatra noho ny fanohanan’ny Unicef ho an’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Anosy sy Androy. Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny zaza teraka tsy ampy volana, nampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fanamarihana ny « Maman kangourou ».

Vonjy A.

Partager sur: