Fasana roa vaky: naparitak’ireo jiolahy ny lamban-drazana

Nitrangana vaky fasana sy halatra taolam-paty tao Antseva Centre sy Anosinjanamaka. Nampandrenesin’ny sefom-pokontany Antseva ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria Antsapandrano, afakomaly, momba ny fisiana trangana vaky fasana ao amin’ity fokontany ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, rehefa nojerena dia fasana roa no hita fa vaky. Fasana vaky voalohany, tao Antseva Centre, fokontany Antseva kaominina Antsapandrano distrikan’Ambatolampy. Ny fasana vaky faharoa, tao Anosinjanamaka fokontany Antseva. Nivoha ny varavarambaton’ireo fasana rehefa natao ny fizahana ifotony. Niditra tao am-pasana ny solontenan’ny fianakaviana  nijery ireo razana. Tsy voafaritra mazava anefa ny fotoana nahavaky ireto fasana ireto. Tsy nahitana dian-tongotra koa anefa teo amin’ny manodidina. Araka ny fanazavana nomen’ny tompom-pasana, razana telo no very tao amin’ny fasana ao Antseva raha telo koa tao Anosinjanamaka. Miisa enina, araka izany, ny fitambaran’ireo razana lasan’ny mpangalatra tao amin’ireo fasana ireo. Nahitana taratasim-pananan’omby avy ao amin’ny fokontany, izay misoratra amina raim-pianakaviana iray monina ao Amboatsehatra fokontany Antanjondava kaominina Tsinjoarivo koa tao an-toerana. Nojerena ny manodidina sy ny tampon-tanety mba hahitana marika na porofo hahafantarana ireo mpangalatra, saingy tsy nahitana soritra. Nentanin’ny zandary ny fokonolona mba samy hijery sy hanara-maso ny fasany avy. Napetra tamin’ny fianakaviana ny fikarakarana ny razana sisa tavela tao am-pasana.

Jean Claude

Partager sur: