« Festival de rire »: nisokatra omaly ny « festival de rire Jôkôsô » andiany faharoa

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Festival de rire Jokoso » andiany faharoa. Teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolotsaina Malagasy (IKM) Antsahavola no nanatanterahana izany, ny alakamisy 17 novambra 2022. Mpanao hatsikana sy mpankafy maro no tonga nanokatra izany tamin’ny alalan’ny lahateny fanokafana sy seho an-tsehatra. Tanjona lehiben’ny hetsika ny fampiraisana ny mpanao hatsikana malagasy.

Maro ny antony  nanosika ny mpikarakara hanatanteraka ny hetsika. Voalohany ny fanambarana ny mpanao hatsikana malagasy, izany hoe, ny efa fata-daza sy ny vao misondrotra. Faharoa, ny fampiroboroboana ny hatsikana malagasy, indrindra ny “Stand up”, izay karazana hatsikana tonga vao haingana teto Madagasikara. Fahatelo, ny fampahafantarana ny ankizy vaovao eo amin’ity sehatra ity. Mampiavaka ny “Festival de rire” amin’ity ny fisian’ny seho amin’ny teny frantsay, ataon’ny ankizy malagasy.  Fiaraha-miasa amin’ny mpianatra teratany vahiny ao amin’ny “Lycée Française d’Antananarivo” izany.

“Misy ny fampianarana sy fifampizarana mandritra ny hetsika, eo ihany koa ny fampahafantarana sy fampianarana ny “Stand up” amin’ny mpankafy hatsikana” araka ny nambaran’i Raitra Belaw’yck, Tomponandraikitry ny hetsika.

 

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: