Nahemotra amin’ny fotoana manaraka. Niverenana nodinihina teny amin’ny Antenimierampirenena indray, omaly, ilay tolo-dalàna momba ny fitsinjaram-pahefana.
Efa nolanian’ireo loholona izany, saingy nasiam-panitsiana ary izao naverina eny Tsimbazaza izao indray. Nivoitra tamin’izany fa ahina hiteraka olana lehibe eny anivon’ny fiarahamonina rehefa mihantona amin’ny asany ny ben’ny Tanàna noho ny raharaha mahavoarohirohy azy. Nambaran’ny depiote Razaiharimalala Fiainantsoa, nitondra izany tolo-dalàna izany fa andininy iray amin’izany ihany no hovàna momba ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. “Tsy fiarovana befahatany ny ben’ny Tanàna ho tsy azo enjehana akory ilay izy. Tsy marina izany fa fandrindrana fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, ahitana ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Atitany, mpiahy ny kaominina“, hoy izy.
Ben’ny Tanàna voarohirohy
Nanteriny fa miantraika mivantana amin’ny vahoaka raha voarohirohy amin’ny raharaha maloto ny ben’ny Tanàna iray. Tokony hampahafantarina ny minisiteran’ny Atitany, mpiahy azy izany. Fampahafantarana izany fa tsy midika ho fitsabahana ny andraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana. Mba ahafahana mamaha ny olan’ny vahoaka sy ny eny ifotony noho ny tsy fahazoan’ilay ben’ny Tanàna mikitika ny fitantanana, araka ny nambarany hatrany.
Niteraka fisalasalana teo amin’ireo depiote izany ka notapahina fa aato aloha ny fivoriana.
Synèse R.