Ratsy fanombohana indray ny ekipa malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Senegaly, taranja hand Ball. Resin’ny ekipan’ny Ginea, tamin’ny isa 14 no ho 44 ny Akio, tamin’ny fifaninanana fiadiana ny amboaran’ny filoha, andro voalohany. Vokatra azo lazaina ho efa nisy fivoarana raha oharina tamin’ireo lalao telo natrehina tamin’ity Can 2022 ity, nanoloana ny Kameronina, Senegaly ary Côte d’Ivoire. Mbola mitohy ny ady ho an’ny Akio, ny ekipan’ny Cap Vert indray ny hifandona amin’ny ekipa malagasy, anio. Miezaka ny hanome ny vokatra tsara ireo mpilalao na dia tena mbola lavitra aza ny lalana. Traikefa maro ny mbola tsy ampy ho an’ny Malagasy, indrindra ny tsy fahampian’ny lalao iraisam-pirenena, raha ny nambaran’ny mpanazatra ny Akio. Efa ekipa manana ny maha izy azy rahateo no sady ampy fanomanantena ny mpifanandrina ka tsy misangy. Tsiahivina fa handray ny fifaninanana IHF Trophy, manomboka ny 24 novambra izao i Madagasikara, ka efa tokony hiomana ny mpilalao. Firenena rahavavy roa ny ho avy eto amintsika amin’izany fifaninanana izany, ahitana ny Seychelles sy i Maorisy. Efa miatrika fampivondronana eny Vontovorona amin’izao ny ekipa malagasy lehilahy hisolo tena ny Malagasy manomana ity fifaninanana ity, izay miandrandra hibata fandresena.
Mi.Raz