Maty rotiky ny balan’ny zandary, afakomaly, tao amin’ny distrikan’i Mandritsara ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Fidimaro na i Antilahintany. Dahalo gagilahy amin’ny halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana nokarohin’ny zandary hatry ny ela tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Antsirabe, distrikan’i Mandritsara ity maty voatifitra ity. Afakomaly maraina tamin’ny 9 ora, nampandre ny zandary ao amin’ny poste fixe Antsirabe Centre ny mpanara-dia avy ao amin’ny kaominina Antanambaonamberina distrikan’i Mandritsara fa nisy dahalo iray nangalatra omby telo, ny 14 novambra 2022 alina. Nizotra mankany amin’ny toerana antsoina hoe Tsaramandroso fokontany Behota, kaominina ambanivohitra Antsirabe Centre ny lalan’ireo malaso. Namonjy ilay toerana avy hatrany ny zandary ka nifanojo tamin’ireo dahalo. Raikitra ny fifanjevoana ka maty voatifitra ny iray tamin’ireo dahalo. Azon’ny zandary avokoa ny omby nangalariny ka efa natolotra ny tompony rehefa avy nohamarinina. Nankasitra ny fanomezan-tanana avy amin’ny fokonolona ny zandary tamin’ny nahazoana izao vokatra izao.
Jean Claude