Kitra ao Mahajanga: simba tanteraka ny kianja Rabemananjara

Tsy handray lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League”, taranja baolina kitra no tsy hahita fihaonana mandritra ny fotoana maharitra ny vahoakan’i Boeny. Anton’izany, ny fahasimban’ny kianja Rabemananjara. 

Marary ny kitra ao amin’ny faritra Boeny amin’izao fotoana izao. Taona vitsivitsy izay, tsy nisy ekipa avy any Mahajanga intsony nahazo ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Madagasikara. Ankoatra izay, simba tanteraka ihany koa ankehitriny ny fotodrafitrasa any an-toerana dia ny kianja “synthètique” Rabemananjara. Rovitra avokoa ny ankamaroan’ireo “tapis” misy ireo bozaka.

Raha tsiahivina anisan’ny kianja voalohany nametrahana izany bozaka artifisialy izany ny tao Mahajanga, tany amin’ny taona 2008 ary notokanan’ny filohan’ny federasionina iraisam-pirenena, i Jepp Blatter, ny taona 2009. Efa nandray fifaninanana iraisam-pirenena maro, na teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can izany na ho an’ireo fifaninanana ho an’ny klioba. Herinandro lasa izay, nijery ifotony ny kianja Rabemananjara ireo tomponandraikitra sy ny teknisianina eo anivon’ny federasionina malagasy (FMF) ka nahita fa tsy azo anatanterahana lalao ofisialy intsony ny fotodrafitrasa.

Ho fisorohona ny mety ho faharatran’ny mpilalao sy ireo mpanotrona, notapahin’ny federasionina malagasy ny baolina kitra fa hafindra eto Antananarivo avokoa ireo lalao hataon’ny Tsaramandroso Formation sy ny Fosa Jr, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara (Orange Pro League 2022/2023).  Fifaninanana, hanomboka ny asabotsy 19 novambra ho avy izao.

Raha tsiahivina, handray ny AS Fanalamanga, eny amin’ny kianja Vontovorona ny Fosa Jr ary hanafika ny Tia Kitra, any Toamasina kosa ny Tsaramandroso Formation, eo amin’ity andro voalohany amin’ny Orange Pro League, ity. Fihaonana samy hotanterahina ny alahady 20 novambra, ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: