Kung fu: hizara traikefa ny Grand Maitre Avoko

Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikatroka Kung fu manana ny grady ambony sy Maitres tomponandraikitry ny Sekoly, hizara ny traikefany ny Grand Maitre Avoko. Hisy ny fiofanana homeny, ny alahady 27 novambra izao, eny amin’ny Temple Pierre Mizael Ambatomirahavavy. Fiofanana efa fanao isan-taona ity fifampizarana ho atao ity, raha ny fanazavana ary tsy misy ny fidim-pidirana fa izay foy no omena ho fampandrosoana ny fikambanana. Fampianarana maro no ho azon’ireo izay hanatrika ny fampiofanana, toy ny teknika “méditation” sy fanomezana lesona, natokan’ny Grand Maitre Piera be ho an’ny ankohonany tany Ambatomainty, ny taona 1984. Misy ihany koa ny fampianarana famoahana “vibration” amin’ny tanàna sy famaliana ireo fanontaniana lalindalina sarotra valiana. Ankoatra izay, hanamafy ny traikefa mahakasika ny Kung fu Wisa ihany koa ny Grand Maitre Avoko.

 

Mi.Raz

Partager sur: