Nampiasainy vovon-tsakay, norombahin’ity jiolahy ny vola teny amin’ilay ramatoa mpiasa amina “cash-point” ary nikasa handositra izy taorian’io.
Nofafazany vovo-tsakay ary nalainy ny vola, tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary ny jiolahy mpandroba Cash-point tao Ambohibao Ankadindravola, omaly. Renim-pianakaviana iray no lasibatr’ity lehilahy ity. Nandrasan’ io jiolahy io hirava teo amin’ny toerana fitsinjarana vola amin’ny finday ilay ramatoa, ary narahiny moramora. Noheveriny fa tsy misy nahita, araka izany, ny fihetsiny. Nitondra vovo-tsakay izy ka norarafany izany avy hatrany ilay ramatoa. Jambena, niondrika ary niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay lasibatra. Nosintonin-dRangahy ny kitapo nisy ny vola ka nitsoaka izy. Kinanjo, hitan’ny zandary sy ny fokonolona tsy lavitra teo ny nanaovan’io jiolahy io ny asa ratsiny. Raikitra ny fanenjehana. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ity ranamana ity. Natao famotorana, efa fanaony ny mandroba mpiasa amina Cash-point toy izao, saingy izao izy vao sarona. Naverina tamin’ny tompony kosa ny vola. Notanana atao fanadihadiana alohan’ny hitondrana azy eo anatrehan’ny fampanoavana ny tenany.
Tsiferana R.